Ny biby, araka ny biôlôjia, araka ny fanasokajiana klasika, dia zavamananaina mihinana akora ôrganika (afa-tsy ny maningana vitsivitsy), miaina amin' ny ôksizenina, manana sela izay mitambatra ho nofo, ary afaka mihetsika, afaka miteraka amin' ny alalan' ny fitaovam-pananahana, ary mitombo avy amin' ny sela vitsivitsy mandritra ny fivoaran' ny tsimoka. Ny fitambaran' izy ireo dia atao amin' ny teny ara-tsiansa hoe Animalia (manampy ny Plantae, ny Fungi, ny Protozoa, ny Bacteria, ny Chromista ary ny Archaea).

Ny karazam-biby

Mitambatra anaty sampana (clade) iray ny biby, izany dia midika fa avy amin' ny razambe tokana izy ireo. Amin' izao fotoana izao, ny teny hoe "biby" dia natokana ho an' ny zavamananaina saro-drafitra sy maro sela, na dia efa ela aza ny prôtôzôera no noheverina ho biby tokan-tsela. Sahala amin' ny zavamananaina hafa, ny biby tsirairay dia manana ny namany izay mahaforona vondrona ranoray aminy, antsoina hoe karazana.

Maherin' ny 1,5 tapitrisa ny karazana biby velona voafaritra, ka manodidina ny 1,05 tapitrisa ny bibikely, ny 85 000 mahery dia karazan' ny sifotra, ary manodidina ny 65 000 ny biby manana hazondamosina. Tombanana ho 7,77 tapitrisa ny karazana biby eto an-tany. Ny halavan' ny vatan' ny biby dia manomboka amin' ny 8,5 μm ka hatramin' ny 33,6 m. Manana ekôlôjia saro-drafitra izy ireo ary misy mifandraisany amin' ny tsirairay sy ny tontolo iainany, ka mamorona "tambajotran-tsakafo" be pitsiny. Ny fandalinana siantifika momba ny biby dia fantatra amin' ny anarana hoe zôôlôjia, ary ny fandalinana ny fitondran-tenan' ny biby dia fantatra amin' ny hoe etôlôjia.

Amin' ny fiteny andavanandro, ny teny hoe "biby" dia matetika ampiasaina mba hanavahana ny sisa amin' ny tontolon' ny zavamananaina tsy misy ny olombelona sy ny zavamaniry (anisan' izany ny ahidrano sy ny holatra).

Jereo koa

hanova