Aller au contenu

Fanatontoloana

Avy amin'i Wikipedia
Tsy tohanana intsony ny kinova azo atao pirinty ary mety misy lesoka amin'ny famoronana. Azafady mba havaozy ny famantarana ny mpitety tranonkala ary ampiasao ny asan'ny fanontana tsipalotra.
  • Ny atao hoe fanatontoloana dia ny fampiombonan-tsena sy ny fampihavanana ny olona, ​​indrindra vokatry ny fanalalahana ny tsena, ny fampandrosoan'ny fitateran'olona sy ny entana, ary ny fiantraikan'ny teknolojian'ita sy fifandraisana maneran-tany .
  • Taorian’ny faharavan’ny vondrona Tatsinanana, dia nipetraka ny lamina vaovao maneran-tany nanomboka ny taona 1991. Ny rafitra kapitalista sy ny fifanankalozana malalaka no nanjaka teto anivon’izao tontolo izao. Vokatr'izany dia, niha-niroborobo sy nahazo laka maneran-tany ihany koa ny Fanatontoloana.

1) Famaritana

  • Ny Fanatontoloana ; Fifanankalozana malalaka eo amin’ny lafiny rehetra : ara-politika, ara toe-karena, ara-tsosialy…
  • Azo adika ihany koa fa ny fanatontoloana dia fitambaran'ireo trangan-javatra maro, ara-toe-karena, ara-politika, ara-tsosialy mampitambatra ho iray ny firenen-drehetra maneran-tany.

2) Ireo antony nampiroborobo ny fanatontoloana

a- Ny fivoarana lehibe teo amin’ny fitanterana

Nivoatra ny fitaovam-pitaterana : Vokatry ny fisian'ireo fitaovam-pitaterana manara-penitra toy ny fiara-manidina supersoniques, porte-containers dia lasa haingam-pandeha no mahazaka entana sy mpandeha betsaka izy ireo. Nanamora ny fifanankalozan’entana sy ny fifamezivezen’ny olona izany satria lasa azo antoka sy haingana ny fitaterana.

b- Ny fandrosoana ara-teknolojia

Isan’ny nampiroborobo fatratra ny fanatontoloana sy ny fifanankalozana maneran-tany ireo fivoarana lehibe teo amin’ny fitaovam-pifandraisana sy fampitam-baovao toy ny : fahitalavitra, internet, telefaona, satelita… Nahafoana ny elanelan-tany mihintsy aza izany ka lasa toy ny « tanana kely iray izao tontolo izao »

c- Ny fanalalahana ny fifanankalozana

Ny fametrahana ireo fifanarahana ho amin’ny fifanankalozana malalaka toy ny OMC ny taona 1995, dia nampivelatra sy nanamora ny varotra iraisam-pirenena satria, nanafoana ireo sakana teo amin’ny lafiny ara-barotra. Nofoanana na nahena ny haban-tseranana ary noraràna ny fanavankavahana ara-barotra…

3) Ireo mpandray anjara ao amin’ny Fanatontoloana

  • Ireo firenen-drehetra: dia mandray anjara avokoa amin’ny alalan’ny fifanankalozana sy fifanampiana iraisam-pirenena.
  • Ireo orinasa maro rantsana (FMN) : orinasa lehiben’ireo firenena matanjaka, manana ratsa-mangaika any amin’ny firenen-kafa toy ny Shell, Total, the Coca-cola Company… Paik’ady ara-barotra sy hanamorana ny famokarana no ipariahany maneran-tany.
  • Ireo fikambanana iraisam-pirenena: Na fikambanana miankina (OIG) toy ny ONU, PNUD, UNESCO… na ny tsy miankina (ONG) toy ny Croix rouge international, WWF… dia mandray anjara fatratra amin’ny fiaraha-miasa sy fifanampiana iraisam-pirenena.
  • Ireo haino aman-jery : nohon’ny fivoarana ara-teknolojia, dia miantoka ny fifandraisana sy fampielezana vaovao maneran-tany ny : internet, ireo onjam-peo sy fahitalavitra maro toy ny RFI, TV5, France2, CNN…

4 Ireo fiantraikan’ny fanatontolona

a) ireo vokatra tsara

  • Firoboroboan’ny fifanankalozana sy fihamafisan’ny fifaninanana.
  • Fahazoan’ireo firenena maro fandrosoana ara-toe-karena, ara-kolo-tsaina sy ara-tsosialy…
  • Fananan’ireo faritra morontsiraka toerana lehibe hatrany.
  • Fitomboan’ny fifampiankinana.

b) ireo vokatra tsy niriana

  • Ny fifandonan’ny kolotsaina
  • Fitomboan’ny elanelana ara-paritra : ao ireo mahazo tombony, ao reo lasa anjorom-bala
  • Ny fanavankavahana ara-barotra manoloana ny firenena mahantra.
  • Ny fanjakazakan’ny firenena matanjaka, sy manankarena amin’ny firenena mahantra.
  • Ny fahamafisan’ny fahasamihafana sy tsy fitoviana eo amin’ny firenena mahantra sy manan-karena.
  • Ny fahapotehana sy fanjavonan'ny kolotsain'ny olona indrindra any amin'ny firenena mahantra.

Famaranana :

Anjakan’ny fanatontoloana ny tontolo ankehitriny. Ny fampiharana rafitra mitovy maneran-tany no ahitana taratra izany : ny demokrasia malalaka ara-politika, ny fahalahana ara-toe-karena ary ny fampitoviana ny fomba fiainana ankapobeny anivon’ny mponina. Ny fanilikilihana ny faritra sasany, ny fampiharana ny proteksionisma ary ny fitomboan’ireo hetsika fanoherana ny fanatontoloana no fetrany.