Aller au contenu

Kiorda (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Korda (vahoaka))
Andriana kiorda

Ny Kiorda dia vahoaka miteny indô-eorôpeana, anisan' ny vahoaka iraniana, izay ny ankabeazany Miozolmàna sonita izay miisa eo anelanelan' ny 30 tapitrisa sy 40 tapitrisa, monina indrindra ao Torkia sy ao Iràna sy ao Iràka ary ao Siria.

Hatramin' ny taonjato iray izay dia nisy Kiorda sasany izay nitolona ho amin' ny fizakan-tena mba hahafahan' izy ireo manana ny tanindrazany manokana, dia i Kordistàna. Ny firenena rehetra izay ahitana fianakaviambe korda dia manohitra fatratra ny fiforonan' ny fanjakana kiorda sady manahy ny hahalasanan' ny ampahan' ny tanim-pireneny. Nisy ny fifindra-monina vao tsy ela izay niteraka ny zanaka am-pielezana (diaspôra) kiorda miely amin' ny firenena rehetra any Eorôpa Andrefana sy any Etazonia ary any Aostralia. Ilay fianakaviambe tao Kabul dia nandao an' i Afganistàna tamin' ny ady mangotraka niseho tamin' ny faramparan' ny taompolo 1970.

Miteny amin' ny fitenim-paritra maro mitovitovy ny Kiorda, dia fiteny avy amin' ny fiteny kiorda ihany, izay isan' ny fiteny iraniana. Ny fiteny kiorda dia mampiasa abidy avy amin' ny abidy arabo sy abidy latina, sy karazan' ireo maro hafa koa. Ny Kiorda ao Kordistàna Atsimo sy Atsinana dia miteny sôrany (sorani), ny ao amin' ny tapany efatra hafa dia miteny kormanjy (kurmandji), ny ao Kordistàna Avaratra miteny zazaky. Misy fitenim-paritra kiorda hafa koa izay tenenina ao amin' ny faritra maro ao Kordistàna toy ny fiteny lôry, ny fiteny laky, ny fiteny gôrany, sns.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]