Aller au contenu

Betsiboka (ony)

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Betsiboka (renirano))
Ny ony Betsiboka

I Betsiboka dia ony any amin' ny tapany avaratr' i Madagasikara, mivarina any amin' ny Lakandranon' i Môzambika any Mahajanga ao amin' ny vavaranon' i Bombetoka. Misongadina izy noho ny lokondranony mena, vokatry ny fiangonanan' ny potika vatolampy miloko mena voasary.

Ny toerana misy ny ony Betsibka eto Madagasikara

Misy fitrangana fikao-tany tsikaritra any amin' ny faritra avaratra-andrefana amin' i Madagasikara, vokatry ny fanapahana ny hazo any an' ala hahampitomboana ny tany fambolena sy ho an' ny fiompiana nadritra ny 50 taona lasa. Ny ony Betsiboka dia azon' ny sambo mahazaka hatramin' ny 20 taonina andehanana hatrany Ambato-Boeny.

Tetezan' i Betsiboka eo amin' ny lalam-pirenena faha-4

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]