Aller au contenu

Empira Mpanjanaka Neerlandey

Avy amin'i Wikipedia
Sarintany tsy manaja fotoana maneho ny tany nozanahin' ny Faritany Mitambatr' i Nederlandy.

Ny Empira Mpanjanaka Neerlandey dia ahitana fizaràn-tany ampitan-dranomasina sy toeram-barotra nofehezin' ny kômpania neerlandey misy fifanekena voasoratra — indrindra ny Vereenigde Oostindische Compagnie (Kôpania Nerlandein' i India Atsinanana) sy ny Geoctrooieerde Westindische Compagnie (Kôpania Nerlandein' i India Andrefana) — avy eo nofehezin' ny Repoblikan' ny Faritany Fito Mitambatr' i Nederlandy (Republiek der Zeven Verenigde Nederlanden) (1581–1795), ary taty aoriana nofehezin' ny Fanjakan' i Nederlandy ankehitriny taorian' ny taona 1815.

Tamin' ny fahatongavan' i Jan van Riebeeck tao amin' ny Cape of Good Hope (ao Afrika Atsimo) tamin' ny taona 1652, dia nanana faritany zanatany tany amin' ny ilany atsinanan' i Amerika Avaratra, tany Karaiba, tany Amerika Atsimo (Sorinamy sy Brezila), taty Afrika (tao amin' ny Gold Coast sy tao Cape), tany amin' ny Zana-kôntinenta Indiana, tany Srilanka, tany Indônezia ary tany Taioana, ilay empira. Izy io koa dia nanofa tany vaovao tany Aostralia sy tany Zelandy Vaovao.

Ity empira ity rafitra niorina amin' ny varotra tamin' ny voalohany izay nahazo hery indrindra tamin' ny orinasa mpisahana raharaham-barotra sy tamin' ny fifehezana ny lalan-tsambo iraisam-pirenena amin' ny alalan' ny toerana stratejika, fa tsy avy amin' ny fanitaran-tany.

Satria matetika tsy manana renivola na mpiasa ho an' ny hetsika goavana ny kôpaniam-barotra madinika eorôpeana, dia nanofa fikambanana lehibe kokoa ny parlemantan' ny Fanjakan' i Nederlandy (atao amin' ny teny neerlandey hoe Staten-Generaal) — dia ny Kôpania Nerlandein' i India Atsinanana sy ny Kôpania Nerlandein' i India Andrefana — tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-17, izay nifototra tamin' ny môdelin' i Angletera izay nivoatra miadana taonjato iray talohan' izay. Nandray anjara betsaka tamin' ny revôlisiôna ara-barotra sy tamin' ny firoboroboana ara-kolontsaina tany Nederlandy tamin' ny taonjato faha-17 ny fanjakazakan' ny orinasa mmaro tamin' ny raharaham-barotra eran-tany, fantatra amin' ny anarana hoe Andro Volamena Neerlandey (neerlandey: Gouden Eeuw).

Teo am-pitadiavana lalam-barotra vaovao teo anelanelan' i Azia sy Eorôpa dia nikaroka sy nanofa faritra lavitra toa an' i Aostralia, i Zelandy Vaovao, i Tasmania, ary ny ampahany amin' ny morontsiraka atsinanan' i Amerika Avaratra, ny mpandeha an-tsambo neerlandey. Nandritra ny fampandrosoana voalohany ny indostria tany Eorôpa dia nahazo 50 % amin' ny lamba sy 80 % amin' ny landy nohafarana avy any amin' ny Empira Mogaly (na Empira Môgôly) ao India ilay empira, indrindra avy amin' ny faritra mandroso indrindra fantatra amin' ny anarana hoe Bengal Subah.

Tamin' ny taonjato faha-18 dia nanomboka nihena hery ny Empira Mpanjanaka Neerlandey noho ny fahasahiranany nateraky ny Ady Anglô-Neerlandey fahefatra tamin' ny taona 1780-1784, izay namoizan' ny Repoblika Neerlandey amin' ny ampahany ny zanataniny ("fananany") sy namoizany ny ampihimamba ara-barotra izay lasan' ny Empira Mpanjanaka Britanika sy ny Empira Mpanjanaka Frantsay, miaraka amin' ny fandresen' ny Kômpania Britanikan' i India Atsinanana (anglisy: British East India Company) an' i Mughal Bengal tamin' ny ady tao Plassey. Na izany aza dia tafavoaka velona hatramin' ny fahatongan' ny fanafoanana ny fanjanahantany maneran-tany taorian' ny Ady Lehibe Faharoa ny ampahany be amin' ilay empira, dia i India Atsinanana sy i Goiana Neerlandey izany. Fizaràn-tany zanatany telo taloha tany amin' ny Vondronosy Antilia manodidina ny Ranomasina Karaiba — i Aruba sy i Curaçao ary i Sint Maarten — no mbola mijanona ho firenena mandrafitra ny Fanjakan' i Nederlandy.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]