Aller au contenu

Febroary

Avy amin'i Wikipedia

Ny volana Febroary dia volana faharoa ao amin' ny tetiandro gregôriana sy joliana.

Ny volana febroary no volana fohy indrindra amin' ny taona, ny hany misy andro latsaky ny telopolo: amin' ny ankapobeny dia misy 28 andro, afa-tsy amin' ny taona mitsambikina izay ahitana andro 29. Tamin' ny Andro Taloha izy no volana farany amin' ny tetiandro rômana, tamin' io fotoana io, nanomboka tamin' ny 15 Marsa ny tetiandro.

Ny volana Febroary no volana fahatelo sady farany amin' ny ririnina any amin' ny ilabolantany avaratra. Any amin' ny ila bolantany atsimo, ny volana Febroary no volana fahatelo sady farany amin' ny fahavaratra (izay mitovy fizaran-taona amin' ny volana Aogositra an' ny ila bolantany avaratra).

Fiforona-teny

[hanova | hanova ny fango]

Avy amin' ny teny latina hie februarius izy io, avy eo ny Anglisy manonona azy hoe february ary lasa febroary izy amin' ny fiteny malagasy.

Ny anarana hoe Febroary dia avy amin' ny anaran' io volana io amin' ny teny latina, februarius, izay avy amin' ny matoanteny hoe februare izay midika hoe "manadio". Ny fombafomba atao amin' ny Februa dia natao tamin' ny andro faha-15 amin' ny Februarius tao amin' ny tetiandro rômana tamin' ny Andro Taloha.

Talohan’ ny tetiandro misy 12 volana dia tsy nisy afa-tsy volana miisa 10 ny tetiandro rômana ary nisy 304 andro; tsy misy vlana na iray aza miaty ny 61 andro ririnina. Manodidina ny taona 713 tal. J.K, ilay mpanjaka malaza Noma Pômpilio (Numa Pompilius) dia lazaina fa nanovana ny volana Janoary sy Febroary, ka nanitatra ny taona ho 365 andro.

Filaharany

[hanova | hanova ny fango]

Ny volana Marsa no volana voalohany tao amin’ ny tetiandro rômana tamin' ny Andro Taloha. Niovaova ny toerana misy ny volana Janoary sy Febroary, araka ny asa soratr’ ireo mpanoratra rômana, ka mety ho hita amin’ ny fiandohan’ ny taona na amin’ ny faran’ ny taona.

Araka ny voalazan' ny mpanoratra, ny volana Janoary no lasa volana voalohany ao amin' ny tetiandro tamin' ny andron' i Noma Pômpilio (Numa Pompilius) na tamin' ny fanapahan' ny Decemviri manodidina ny taona 450 tal. J.K. Na izany aza, ny taona rômana dia fantatra amin' ny alalan' ny kônsoly roa, izay nandray ny asany tamin' ny 1 Mey sy 15 Marsa talohan' ny taona 153 tal. J.K., avy eo tamin' ny 1 Janoary taorian' io daty io. Amin' ny tetiandro joliana, ny volana Febroary no volana faharoa amin' ny taona.

Nandritra ny Andro Antenatenany tany Eorôpa, fety kristiana maro no nampiasaina hanamarihana ny taom-baovao, anisan' izany ny 25 Marsa sy ny 25 Desambra. Na izany aza, ny tetiandro tamin' ny Andro Antenatenany dia manohy nampiseho ny taona araka ny fomba rômana, amin' ny tsanganana roa ambin' ny folo manomboka amin' ny Janoary ka hatramin' ny Desambra. Tamin' ny taonjato faha-16, ny firenena eorôpeana dia nanomboka namerina amin' ny fomba ôfisialy ny 1 Janoary ho fiandohan' ny taona.

Tamin' ny voalohany, ny volana Febroary dia nisy 28 andro ao amin' ny taona mahazatra ary 29 andro isaky ny efa-taona; izany dia narahin' ny mens intercalaris izay misy 29 andro.

Tamin' ny 450 tal. J.K., ny Repoblika Rômana dia nanavao ny tetiandro rômana: nisy 28 andro ny Febroary amin' ny taona mahazatra. Isaky ny roa taona dia ny volana misy 27 andro, atao hoe mercedonius, dia ampiana aorian' ny Febroary. Misy 23 sy 24 andro mifandimby ny Febroary.

Nanoboka tamin' ny fanavaozana joliana dia nesorina ny volana fanampiny ary misy 28 andro ny Febroary amin' ny taona mahazatra ary 29 amin' ny taona mitsambikina. Mitazona io endrika io tetiandro gregôriana. Ara-tantara dia nampiasaina tany amin' ny firenena ôrtôdôksa sasany ny 29 Febroary, mba hanatratrarana ny elanelana eo amin' tetiandro joliana mankany amin' ny tetiandro gregôriana.

Araka ny angano iray dia namindra andro iray nanomboka tamin' ny Febroary ka hatramin' ny Aogositra i Aogosto rehefa nomena anarana ho fanomezam-boninahitra azy io volana voaresaka farany io tamin' ny taona 8 tal. J.K.: satria nisy 31 andro ny volana Jolay teo aloha, izay nomena anarana ho fanomezam-boninahitra an' i Jolio Kaisara, dia naniry ny hananany volana misy andro mitovy isa amin' izany. Misy anefa ny tahirin-kevitra milaza fa ny tsy fanarahan-dalàn' ny Febroary dia nanomboka tamin' ny fanavaozana koliana.

Ireo zava-nitranga tamin' ny volana Febroary

[hanova | hanova ny fango]

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
Volana
Janoary | Febroary | Martsa | Aprily | Mey | Jona | Jolay | Aogositra | Septambra | Oktobra | Novambra | Desambra
Volana
Janoary | Febroary | Martsa | Aprily | Mey | Jona | Jolay | Aogositra | Septambra | Oktobra | Novambra | Desambra