Fiteny javaney
Apparence
Fiteny javaney basa jawa | |
Isan'ny mpiteny | 80 tapitrisa |
Faritany | Indonezia ary Endrika:Surinam |
Sata | Tsy manana sata ofisialy |
Soratra | latina, na abogida javaney |
Ny fiteny javaney dia fiteny any amin' ny nosy Java, any Indônezia. Misy olona 80 tapitrisa, eto an-tany no miteny javaney, ary tenin-dren' ny olona 75 tapitrisa izy any Indônezia. Izy no teny be mpiteny indrindra any Indônezia.
Ny fiteny javaney dia isan' ireo fiteny aostrônezianina, ary mitovy fianakavina amin' ny fiteny malay ny fiteny javaney. Miteny indônezianina ny vahoaka javaney rehefa mivarotra na rehefa miresaka amin' ny Indônezianina tsy mahay miteny javaney.
Any ivelan' i Indônezia, betsaka ny olona miteny javaney, indrindra any Azia manodidin' ny Indônezia: Any Timôro Atsinanana, any Malaizia, any Singapôro ary any Aostralia ; misy koa any Hong Kong sy any Taiwan. Vitsivitsy izy any Sorinama.