Aller au contenu

Tibet

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Tibeta)
I Tibeta ara-tantara

I Tibet dia faritra an-dembalemba any avaratry ny tangoron-tendrombohitra Himalaya any Azia, onenan' ny Tibetana sy foko hafa (Monba, Qiang ary Lhoba) ary misy mponina Han sy Hui. I Tibet no lembalemba be mponina indrindra eto an-tany, ary 4 900 m ny haavony miohatra amin' ny ranomasina.

Ny velaran-tanin' i Tibet dia miova eo anelanelan' ny 1 221 600 km2 (ho an' ny Faritra Mizaka Tenan' i Tibet) sy 2 500 000 km2 (ho an' ny "Tibet ara-tantara" na "Tibet Lehibe". Ny renivohitra ara-tantara izay, araka ny mahazatra, ifantohan' ny fahefana ara-pivavahana sy ara-panjakana ao Tibet, dia i Lhasa.

Amin' ny anarana hoe "Tibet ara-tantara", ity faritra ity, izay takian' ny governemanta Tibetana any an-tsesitany, dia ahitana faritra telo nentim-paharazana:

Ilay atao hoe "Tibeta ara-tantara" izay takian' ny governemanta tibetana an-tsesitany dia misy faritra telo, dia i Ü-Tsang (ny ampahany be amin' io faritra io dia ao amin' ny Faritra Mizaka Tenan' i Tibet) sy i Amdo (izay mizara amin' ireto faritany ireto: i Qinghai sy i Gansu ary i Sichuan) ary i Kham (izay mizara amin' ireto faritany ao amin' ny faritra mizakatenan' i Tibeta: i Sichuan sy i Yunnan).

Miisa 6 000 000 any ho any ny Tibetana ao amin' ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina. Ny ankamaroan' ny Tibetana dia manaraka ny bodisma tibetana. Miteny amin' ny endrika isam-paritra telon' ny fiteny tibetana izy ireo. Ny fiteny tibetana dia ao amin' ny fianakaviam-piteny tibetô-birmana.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Lisitry ny firenena any Azia:

Fanjakana mbola misy olana: